top of page

TAKELA-PITIA / PAGES D'AMOUR - FAHAZATO TAONAN'I ZAKARANDAHY (1915-1994)

Hankalaza ny fahazato taonan'ny poety Samuel RAJAOBELISON na ZAKARANDAHY ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa, miaraka amin'ny INALCO-CROIMA ny 13/02/2016 izao. Hisy andron'ny haisoratra malagasy ahitana fampirantiana momba ny mpanoratra, ary ny maraina tontolo dia misy valan-dresaka arahin-tafatafa, antsan-tononkalo sy tantara ny fiainan'i ZAKARANDAHY hifampizarana amin'ny mpijery sy mpamaky. Ny tolakandro kosa dia fotoana atokana ho an'ny takela-pitia hovelarina sy hovakina amin'ireo mpankafy, hisy koa fotoana handraisan'ny mpijery anjara !

Tongava fa hahafinaritra, hampiala voly, hampahazo fahalalana, hampiantsa ny fitiavana, io fiarahantsika io!

13/02/2016 10ora - 19ora, Amphi 1, INALCO 65 rue des Grands Moulins 75013 PARIS.

http://inalco.fr/actualite/takela-pitia-pages-amour-commemoration-centenaire-zakarandahy


Lohahevitra :
Tag Cloud
Pas encore de mots-clés.
bottom of page