top of page

Fifaninanana tononkalo sy sombin-tantara 2014

FIFANINANANA TONONKALO :

FITSIPIKY NY FIFANINANANA TONONKALO

FAHA 10 TAONA HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA

1-Mpandray anjara:

Misokatra ho an’ny mpanoratra rehetra monina eto Frantsa ankoatra ny mpikambana ao amin’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa ny fifaninanana.

2- Fepetra amin’ny fandraisan’anjara:

  • Mihoatra ny 13 taona ny mpanoratra mandray anjara amin’ny fifaninanana.

  • Ny tononkalo dia tsy nalaina avy tamin’ny sangan’asan’olon-kafa.

  • Ny tononkalo dia atolotra ho fananan’ny Havatsa UPEM Frantsa ka azony ampiasaina amin’ny izay mety ilàny azy.

d. Ny mpandray anjara dia hameno ny tapakila fandraisana anjara (jereo etsy ambany)

e. Malalaka ny lohahevitry ny tononkalo saingy mifandray amin’ny faha-10 taonan’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa.

f. Malalaka ny ngadona sy ny endriky ny tononkalo

g. Tsy mihoatra ny telopolo ny andalana ao anatin’ny tononkalo.

3- Fomba anolorana ny sangan’asa :

a. Ny tononkalo dia alefa imailaka amin’ny adiresy eto ambany. “Fichier world” roa no araikitra amin’ny imailaka. Ny voalohany omena anarana hoe TONONKALO izay misy soratra hoe « Sokajy : tononkalo», ao no atao ny tononkalo, tsy asiana anaran’ny mpamorona na marika mety amantarana azy. Ny faharoa omena anarana hoe MPANDRAY ANJARA, asiana ny anaran’ny mpanoratra, ny solon’anarana, ny adiresy imailaka, ny adiresy paositra sy ny laharan’antso, ary ilay tononkalo.

b. Ity tapakila fandraisana anjara eto ambany ity kosa dia apaingotra amin’ny imailaka koa rehefa avy nosoniavina sy nofenoina (scan).

Ary atolotra na alefa amin’izao adiresy izao :

havatsaupemfrantsa@yahoo.fr

…………………………..

d. Ny fara-fandefasana ny sangan’asa mifaninana : 31 oktobra 2014.

Ny daty naharaisana ny imailaka no manamarina ny daty.

4- Fitsarana

Olona telo fara-fahakeliny izay heverina fa manana fahalalana manokana momba ny tononkalo sy tompon’andraikitra ao amin’ny Fikambanana Havatsa-Upem no hitsara ny fifaninanana.

Ny mpandray anjara dia tsy ho anisan’ny mpitsara ny fifaninanana.

5- Tsy ekena : ny lahatsoratra tsy manaja ireo fepetra ireo, na misy teny ratsy, na maneho fanavakavahana ara-bolon-koditra, ara-poko, ara-pihaviana, ara-pinoana, ara-pirehana politika, na miresaka lohahevitra mifanohitra amin’ny fanajana ny maha-olona.

6- Fankasitrahana:

Ny tonkalo mahazo ny laharana telo voalohany dia hahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Havatsa UPEM Sampana Frantsa. Ny 15 novambra 2014 no hanolorana izany.

-------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Tapakila fandraisana anjara :

Izaho ………………………………………………………………………….……………………………………….…………………………..

Monina ao …………………………...................................…………………………………………………………….…………………….

Code Postal……………………………Ville…………………………………………………Tél……………………………………..

izay mandray anjara amin’ny fifaninanana tononkalo faha 10 taonan’ny Havatsa UPEM Frantsa, dia manaiky sy vonona ny hanaja ny fepetra mikasika ny fandraisan’anjara, ary manolotra ny sangan’asako ho an’ny Havatsa UPEM Frantsa .

Daty sy Sonia

==================================================================

FIFANINANANA SOMBIN-TANTARA :

FITSIPIKY NY FIFANINANANA SOMBINTANTARA

FAHA 10 TAONA HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA

1-Mpandray anjara:

Misokatra ho an’ny mpanoratra rehetra monina eto Frantsa ankoatra ny mpikambana ao amin’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa ny fifaninanana.

2- Fepetra amin’ny fandraisana anjara:

  • Mihoatra ny 13 taona ny mpanoratra mandray anjara amin’ny fifaninanana.

  • Ny sombintantara dia tsy nalaina avy tamin’ny sangan’asan’olon-kafa.

  • Ny sombintantara dia atolotra ho fananan’ny Havatsa UPEM Frantsa ka azony ampiasaina amin’ny izay mety ilàny azy.

d. Ny mpandray anjara dia hameno ny tapakila fandraisana anjara (jereo etsy ambany)

e. Malalaka ny lohahevitry ny sombintantara

f. Telo (3) ka hatramin’ny valo (8) pejy, taratasy A4, soramarika Arial 12, interligne simple, no halavan’ny sombintantara.

3- Fomba anolorana ny sangan’asa :

a. Ny sombintantara dia alefa imailaka amin’ny adiresy eto ambany. “Fichier world” roa no araikitra amin’ny imailaka. Ny voalohany omena anarana hoe SOMBINTANTARA izay misy soratra hoe « Sokajy : sombintantara», ao no atao ny sombintantara, tsy asiana anaran’ny mpamorona na marika mety amantarana azy. Ny faharoa omena anarana hoe MPANDRAY ANJARA, asiana ny anaran’ny mpanoratra, ny solon’anarana, ny adiresy imailaka, ny adiresy paositra sy ny laharan’antso, ary ilay sombintantara.

b. Ity tapakila fandraisana anjara eto ambany ity kosa dia apaingotra amin’ny imailaka koa rehefa avy nosoniavina sy nofenoina (scan).

Ary atolotra na alefa amin’izao adiresy izao :

havatsaupemfrantsa@yahoo.fr

…………………………..

d. Ny fara-fandefasana ny sangan’asa mifaninana : 31 oktobra 2014.

Ny daty naharaisana ny imailaka no manamarina ny daty.

4- Fitsarana

Olona telo fara-fahakeliny izay heverina fa manana fahalalana manokana momba ny sombintantara sy tompon’andraikitra ao amin’ny Fikambanana Havatsa-Upem no hitsara ny fifaninanana.

Ny mpandray anjara dia tsy ho anisan’ny mpitsara ny fifaninanana.

5- Tsy ekena : ny lahatsoratra tsy manaja ireo fepetra ireo, na misy teny ratsy, na maneho fanavakavahana ara-bolon-koditra, ara-poko, ara-pihaviana, ara-pinoana, ara-pirehana politika, na miresaka lohahevitra mifanohitra amin’ny fanajana ny maha-olona.

6- Fankasitrahana:

Ny tonkalo mahazo ny laharana telo voalohany dia hahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Havatsa UPEM Sampana Frantsa. Ny 15 novambra 2014 no hanolorana izany.

-------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Tapakila fandraisana anjara :

Izaho ………………………………………………………………………….……………………………………….…………………………..

Monina ao …………………………...................................…………………………………………………………….…………………….

Code Postal……………………………Ville…………………………………………………Tél……………………………………..

izay mandray anjara amin’ny fifaninanana sombintantara faha 10 taonan’ny Havatsa UPEM Frantsa, dia manaiky sy vonona ny hanaja ny fepetra mikasika ny fandraisan’anjara, ary manolotra ny sangan’asako ho an’ny Havatsa UPEM Frantsa .

Daty sy Sonia

Lohahevitra :
Tag Cloud
Pas encore de mots-clés.
bottom of page