top of page

21/02/2015 Paris 13 : "LALAIKO NY TENINDRAZAKO", INALCO CROIMA & HAVATSA-UPEM Frantsa

FISAORANA : Manolotra fisaorana eram-po eran-tsaina antsika ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa noho ny nahatontosa soa aman-tsara ny Hetsika "LALAIKO NY TENINDRAZAKO" nankalazana ny Andron'ny Tenindrazana ny 21/02/2015, niaraka tamin'ny INALCO CROIMA tao Paris 13. Mankasitraka ny : - mpampianatra ao amin'ny INALCO CROIMA amin'ny fiaraha-miasa mahomby - mpijery tonga maro be, liana sy naharitra - namana nampahafantatra sy nampiely ny momba ny hetsika - mpanao gazety nanely ny sary sy ny momba ny fotoana - tarika SORAJAVONA - tropy IMAHAVITA - Sakaizan'ny HAVATSA - mpianatra ao amin'ny INALCO nanandratra ny Teny Malagasy tamin'ny antsan-tononkalo - mpandray anjara tamin'ny takalo momba ny Teny Malagasy izay nisy ady hevitra nahaliana sy tsao-kevitra mivaingana - mpanao valandresaka, Pr Narivelo Rajaonarimanana sy Atoa François-Xavier Razafimahatratra - fikambanana samihafa tonga nanotrona ny fotoana, RFD, AIFM, KOLO, FIMPIMA,... - onjampeo Echos du Capricorne, Radio Bitsika Ho ela velona anie ny Teny Malagasy ! Dia amin'ny manaraka indray ô! Hanitr'Ony Salomon Filohan'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa *** Eto ny sary, misaotra an'i Cristale Vera, Ralf sy Rahanta Karoka. https://www.facebook.com/cristale.vera/media_set?set=a.10206190298146059.1073742045.1522458040&type=1 https://www.facebook.com/cristale.vera/media_set?set=a.10206189961337639.1073742043.1522458040&type=3 https://www.facebook.com/hanta.rakaroka/posts/10204258440604544?pnref=story http://www.croissance.com/lettre.html


Lohahevitra :
Tag Cloud
Pas encore de mots-clés.
bottom of page