top of page

TANTARANY

Ny UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches) dia niforona ny 6 septambra 1952 tao Antananarivo. Ny fitiavana ny teny malagasy no nanetsika mpanoratra, poety, mpanao gazety 15 mirahalahy hanangana ny Fikambanana. Tamin'ny faha-45 taonany no nahazoany ny anarana malagasy hoe HAVATSA, ary dia raikitra HAVATSA-UPEM ny anarany ankehitriny. Ny tanjon'ny fikambanana dia ny fanandratana ny teny malagasy amin'ny alalan'ny Haisoratra, fiarovana ny maha Malagasy, fanandratana ny kolontsaina izay mampanankarena antsika.

 

Ny 14 novambra 2004 dia nivory tao 8 rue Goncourt tao Paris 11 ny mpanoratra sy poeta 10 mianadahy nanangana ny Sampana Frantsa izay voasoratra ara-panjakana ny 24 desambra 2004. Ny 30 aprily 2005 no natao tao amin'ny FIAP Jean Monnet Paris 14 ny fandraisana azy tamin'ny fomba Ofisialy, teo ambany fiahian-Rtoa Rabetafika Ranjeva Yvette, masoivohon'i Madagasikara eo anivon'ny REPERMAD-UNESCO.

Feno folo taona ankehitriny ny fikambanana (2004-2014)

 

Ireo 15 mirahalahy nanorina ny UPEM-HAVATSA :

Régis Rajemisa Raolison, Elie Charles Abraham, Daud Ratsarazaka, Nivo-Hary, Flavien Ranaivo, DOox na Jean Verdi Salomon Razakandraina, Ener Lalandy, Pénombre Andriampenomanana, Jean Louis Razafindratre, Odeam Rakoto, Pierre Janvier Abraham, Michel Guste Rakotonirina, Raymond Abraham, Michel Paul Abraham ary Raharison Faustin, akanga sisa nanamborana.

 

Ireo 10 mianadahy nanorina ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa :

Razafimahatratra François Xavier na F-X-Mahah, Rakotomalala Eric na Fredy Rajaofera; Salomon Andriamasinony na Hanitr’Ony, Razakandrainibe Fabien Gaston na Ny Kanto; Andrianaivomanjato Miora na Andamioly; Randrianaivosoa Aina, Rabe Andriamanarivo Paoly na DadaRabe; Toetra Raja; Salomon Andrianantoanina na Andry Salomon ary Rajaonarivelo Lalatiana Sandrine.

 

Efa nitombo sy nivelatra ny fikambanana ankehitriny. Maro ny làlana efa vitany. Indreto ny mpikambana miara-manandratra izany filamatra izany :

- Atoa RAZAFIMAHATRATRA François-Xavier (F-X. Mahah),  Filoha mpanorina (2004-2014)

- Atoa RAKOTOMALALA Eric ( Fredy JAOFERA), Filoha lefitra mpanorina (2004-2014)

- Rtoa SALOMON Andriamasinony Josiane (Hanitr’Ony), mpanorina, Filoha am-perin’asa

- Rtoa RAZANAMANDIMBY Lalaina (Lalah), Filoha lefitra

- Atoa ANDRIAMIARINA Manantsoa (Andrymann) Tonia

- Rtoa RAHARIJAONA Marie-Angèle (Antsiva) Mpitambola

- Rtoa ANDRIANAIVOMANJATO Miora Lala (Andamioly), mpanorina, Mpitantsoratra

- Atoa ANDRIARIMALALA Abel

- Atoa RAZAKANDRAINIBE Fabien Gaston (Ny Kanto), mpanorina, mpitantsoratra (2004-2010)

- Atoa RAFENONIRINA Laza (Ramy Laza)

- Atoa SALOMON Andrianantoanina Christian (Andry Salomon), mpanorina

- Atoa ANDRIANDALAOARIVONY Jeannot (NONO Arivony J.)

- Atoa MARLINE Jean (Bana Rahalahy)

- Rtoa GUADAGNO R. Marcelle (M.R.G)

- Rtoa RANIVOARISOA Aurélie (Rani)

- Atoa RANDRIAMAHEFASOA Arilaza

-  Rtoa BARABAZA Helitiana (Onitra)

- Rtoa MASAGUE-RANDRIAMASINONY S. (Soloalijoana R.)

- Atoa RANDRESIARISOA Barimanana (Bary Randresy)

-  Atoa RAJAONARIVONY Toetra (Toetra Raja), mpanorina

- Atoa RAZAFINDRATSIMA Ndremahery G.

- Atoa RARIVONIRINA Razafinjato Emiliarison (Tsimaito)

- Atoa RABE Andriamanarivo Paoly (DadaRabe), mpanorina

- Rtoa RAZAFIMANDIMBY Odile (Dila)

- Rtoa RANDRIANARISOA RASENDRA Irène (Nivohanta) 

- Rtoa RAJAONARIVELO Sandrine Lalatiana (Sandy Lala), mpanorina

 

Tsarovana manokana :

- Atoa RAKOTOMALALA Rija (Mi-Rija)

izay nodimandry ny 7 novambra 2014, mpikambana nahefa teto amin'ny Fikambanana.

 

Mbola maro ny atrik'asa sy ny zava-tsoa tiana hozaraina amin'ny mpamaky ka dia araho eto ihany fa mitoy ny tantara.

 

Vaovao
Famantarana
Pas encore de mots-clés.
Sign up for updates and more from the Book Lover

Vos informations ont bien été envoyées !

bottom of page