top of page

ASA SORATRA

 

TALENTA

 

Misy kanto

izay rinanto

ao anatin'ny talenta,

avo lenta

fa voakaroka

ary sarotra

tratrarina.

Mila sarina

di-doha,

herim-po

sy fitozoana.

Anoloana

io no ambara

fa ao afara

misy koa

tena soa

ny talentan'ny adidy

rehefa olon-tsarobidy

anoloan'ny firenena

ny fanahy misy ny tena,

ka miahy ny mpiara-monina.

Tsy tononina

kanefa

ny talenta

tsara indrindra

dia mirindra

amin'ny aina

sy ny fomba amam-pisaina;

tsy voasitriky ny laza

na ny teny izay sahaza,

fa mitoetra ao anaty

entim-belo-mandra-maty :

dia ny fahatsoram-po...

Ireo, talenta avokoa.

 

 

Hanitr'Ony

 

 

Tononkalo

 

 

ANDRONAO ANIO RY TENY

{Ho fanamarihana ny Andron'ny Tenin-dreny sy ny faha 60 taonan'ny HAVATSA-UPEM}

                                                                                    

Andronao anio, ry Teny, tenin-drazana, lalaina,

Andro miavaka tokoa ka antsaina, tantaraina.

Andro mamy, sarobidy ary tena nandrandraina.

Andronao anio, ry Teny, maharavo fo sy saina.

 

Andronao anio, ry Teny. Tao ireo Zoky teo aloha

Izay nitoto nahafotsy, nanorin-jahatra ihany koa

Hiarovana anao. Tsy hodinganina izy ireny. Soa

Fianatra, Kintan-tsoa. Tombokavàtsa, tsy ho lo.

 

Andronao anio, ry Teny, koa tsy hay ny hangina

Ka tsy hiaraka hikorana sy haneho ny hafaliana

Ny tenin-dreny, teny mamy sady teny nibeazana

Mifamatotra aman’aina ary koa ahombiazana.

 

Andronao anio, ry Teny, manan-kasina aok’izany

Andro miavaka tokoa, ka he vahoaka sesilany

Miara-mientana avokoa sy te hianoka hatrany

Izato hakantonao ! Ny Andronao manerantany.

 

Frantsa 30 janoary 2013

Antsiva

 

 

FA TAIZA ANGE IANAO …?

 

 

 

Fa taiza ange ianao tamin’ny fotoana nifanaovantsika

No izao rehatra izao no nanjary foana sady nangatsiaka ?

Ny vorona nihira sy nanafosafo ny onjan-drano soa,

Izaho voarirarira kila main’ny afo natsangako taloha !

 

 

Fa taiza ange ianao, nony ampitson’iny no tsy hita nieloelo ?

Ataoko ity fanao ny mody miala tsiny hanala ny alahelo ?

Ny olona efa nandry fa hoe ampy izay ny vita sy natao,

Izaho mbola niandry sao diso andro iray ny tamin’ny diarinao.

 

 

Fa taiza ange ianao, no afaka herintaona, mbola tsy hita ihany ?

Tanteraka nandao ka efa mendri-tsaona sa mbola tany ho any ?

Ny namako onena, nangataka ahy, niangavy hitady vaovao,

Izaho nanantena fa tsy maintsy ho avy ianao na ny alokao !

 

 

Dia folo taona izao, inty aho mitsinjo ihany ny faravodilanitra,

Fa mbola any ianao, mbola any ho any, mamy sady manitra !

Izaho manganohano mijery ireo antsanga miaraka amam-pako,

Manara-moron-drano sao manangasanga ianao Fahazazako.

 

Abel ANDRIARIMALALA

 

 

Tantara fohy

Sombin-tantara

 

Hametraka lahatsoratra hovakinao eto tsy ho ela izahay.

Angano

 

angano isan-karazany

 

Hametraka lahatsoratra aminao eto tsy ho ela izahay.

bottom of page