top of page

TONONKALO

Featured Review
Tononkalo vitsivitsy

 

 

NY TENINDRENY

 

Ankalazaina ombieny ombieny

Ny Andron’nyTenindreny

Ny Tenindreny no ibeazana

Ny Tenindreny no ahombiazana

 

Ny firenena rehetra rehetra

Na aiza na aiza, tsy voafetra,

Samy manan-teny nibeazana

Nifandovana tamin’ny razana

 

Manana andraikitra daholo

Ny vahoaka tsivakivolo

Hikolokolo ny Tenindreny

Harem-pirenena izy ireny

 

Ny tantara sy ny vaovao

Ary ny asa rehetra izay atao

Ny Tenindreny ao hilaza

Ka zovy no tsy hankalaza ?

 

 

 Frantsa 21 febroary 2014

 

ANTSIVA

 

 

RY RAY MPANAMBATRA

 

Ilay hazo be nipoirana

Toy ny fototry ny teny

Lalim-paka, manahirana

Ao ireo Reny, ao ireo Ray

 

Raha raisina ny Reny

Dia ho fitsipi-panohizana

Mampitohy ombieny ombieny

Singa tsy natao ho vizana

 

Tao ilay kibo nitondrana

Sy ny tadim-poatra koa

Ny ronono am-pifanana

Ny teny, foto-java-tsoa

 

Fototra miharihary

Nofo …trano voalohany

Loharano ho an’ny vary

Masoandro koa, ho tohany

 

Fa ilay fototra toa miery

Niandohan’ilay trano

Dia ilay Ray tsy mety very

Ranon’ilay loharano

 

Nahoana ianao no te tsy re

Tsy dia voatonona mazàna

Kanefa tena lehibe

Toy ilay lakana nitàna

 

Ho faingo mihantona ianao

Ho mpanambatra izany

Fa ny tsy fisianao

Tsy ahatongavana eto an-tany

 

Raiso ary ilay anarana

Ianao ilay Mpanambatra

Hatreto izany dia izarana

Fa an’ady, ianao no sabatra

 

Ao anatin’ny rehetra

Ilay toerana ho anao

Miezina, tsy manam-petra

Satria ra no nomenao

 

Ho inona tokoa moa

Ny teny tsy ahitan-tsipelina

Vata-manga tsy mamoa

Mandalo fotsiny, mihelina

 

Ilay hazo niaviana

Dia toy ny fototry ny teny

Ran’ny fianakaviana

Ny ra iraisana omeny

 

 

Soloalijaona

 

 

 

 

Io toerana io !

Io toerana io, toerana tsaroako
Fa toera-nahafahako namoaka tao am-poko
Ny amboaran’ny fitiavako voavoatra sy voarindra,
Mba hanolorako azy anao tsy hafindra.

Io toerana io, toerana lalaiko !
Toera-nampiravo ny foko sy ny saiko,
Raha natolotrao ho ahy manontolo
‘Lay fitiavanao ‘zay tsara kolokolo !

Io toerana io, toeran’ny vinany,
Toera-mitahiry ‘reo nofinofy mamy
Niarahantsika niaina, toerana nanambatra
Fo sy tena antsika, toera-nahasambatra !

Io toerana io, toerana mba tiako
Hananana indray anao ‘lay nofidiko
Miondana eo an-tratrako, mamikitra eo an-tsoroko,
Mirakotra ny rantsako, mitafy ny orokoroko.

Io toerana io, io no alitara
Nanambatra antsika. Eny, teo no niara-
Nivoady izaho sy ianao fa ho iray doria.
Io toerana io, toeran’ny fitia !…

………………………………...

Io toerana io, miandry ny fotoana
Hananany antsika indray eo am-pofoana,
Tahaka ny fahiny : Ny ahitra nandrina,
Ny hazo nialofana, ny ritsoka manginan’
Ny ravina sy rantsana mamalivaly mora
Ny siokam-boronkely sy ny akon’ny akora
Avy eny an-dohasaha, ‘lay lalankely aza,
‘Zay idifian’ny maro, kanefa dia sahaza
Ilay fitiavantsika nifidy fahatsorana,
Ka zary mba noraisiny ho lalana fizorana.
Ireo voahary ireo sy io toerana io
No miandry handray antsika, ry aiko, tadidio.

 

Arilaza RANDRIAMAHEFASOA

 

 

 

VERY VAKANA

 

Ombay mitady re               

Fa very ‘zany vakana.          

Ampio re rahavana               

Aiza no aleha ?                     

 

 

Nankaiza hoe ny tsiny

Very aiza koa ny tody

Fa izay vaky siny

Mety tsy ho afa-mody

 

 

Zany fihavanana e

Maty ka nalevina

Ka ny vola foana no hoe

Atao matevitevina

 

 

Ary ny hasin’ny Aina

Mamelona Natiora

Nefa indro alaina mora

Fa tsy anaty saina ?

 

Ny hajan’ny Razana

Tsy ilay nofo lasa tany

Fa ilay nipoirana tsy lany

Tsy misy te-hitazana.

 

 

Zanahary indray moa

Naha izao rehetra izao

Indrindra izaho sy ianao

Dia atao ankilabao

 

 

K’ombay mitady ary aho

Fa very vakan-tsoa.

Tsy iray tsy roa

Fa izy iray taho.

 

Janoary 2010

 

TSIMAITO

 

 

 

 

Tag Cloud
Pas encore de mots-clés.
bottom of page