top of page

FISAORANA avy amin'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa

SITRAKA AVY AMIN'NY HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA :

"Tovovavy nanani-boaroy Tovolahy nanani-boasary Sangarotin'ny foliala Tsy avelan'ny soa tsy hihaona"

Izany hain-teny izany no anoloranay mpikambana HAVATSA-UPEM SAMPANA FRANTSA ny saotra mitafotafo, ny sitraka voafantimpatina ho anareo izay niara-nankalaza taminay ny fahafolo taonan'ny fikambanana tetsy amin'ny Foyer de Grenelle, ny 15 novambra hariva teo. Henika hafaliana isika rehetra ary tsiky, hehy, tokelaka, kakakaka, vanivany, tokiky, no nifampizarana tao amin'ny fampisehoana Tsikin'ny Poety. *Teo amin'ny fanolorana dia efa nampientanentana i RIRI RAMANDIAMANANA, *Manga feo ery i D-LAIN sy ireo mpiara-dia aminy, *Miangola fatratra ny feon'i LÔLÔNE sy TÔTÔ MWANDZANI arahin'ny gitarany, *Meva ireo Tovovavy Malagasy mianjaika fitafy tsara tarehy natolotry ny TANY, HARENA, nandravaka ny tononkalon'i Arivony J. momba ny Vehivavy Malagasy. *Fy sady mahafinaritra ny maso ny mofomamy natolotr'i HERIZO RALAMBO, *Kanto ny doka naravon'Andrianavalona Ravalison, *Tsara be ny haingon-tsehatra natolotry ny ESPACE MAHERY *Ny hosodoko fahafolo taonan'ny Havatsa Upem France natolotr'i Irène Randrianarisoa Rasendra koa torak'izany. *Nahenika tsara ny fanamafisam-peo nataon'i WILLIAM RANDRIANJAFIARISON *Nahafantaran'ny maro ny hetsika ny fanadihadiana, ny fanapariahana, ny fandefasana ny doka nataon'ny Radio Bitsika, ny RadioToko3, ny Radio Echos Capricorne, ny Radio Vatsy, ny MADAPLUS.info, ny Croissance.com Ralf, sy ireo namana rehetra nanao ampitampitao. *Nahatontosa iny fotoana iny ny fanampian'ireo SAKAIZAN'NY HAVATSA izay nanome tànana na avy akaiky na avy lavitra tamin'ny fanomanana rehetra. *Fahatsiarovana mamy be sady kanto hojeren'ny maso ny sary nalainareo mpanakantosary Haingo Madazikart, Salomon Charlot Andriamady, Ralf Croissance, Daniel Diffusion, Herizo Ralambo *Vao mainka maharavo ny mahita ny fikambanana manandratra ny maha Malagasy nanotrona koa : ny RNS Liva Ramanana-Rahary mivady, ny KOLO MALAGASY, ny mpikambana FIMPIMA Faritany Frantsa, ny AIFM Francine Ranaivo, Atoa Adrien Rakotonirina, RIRI Ramandiamanana. *Ary tena nahavelombolo sy mankahery anay ny nahita anareo MPIJERY tonga maro be nitondra ny tsikinareo koa nifampizarantsika.

Mamy ny fary fa misy fiakany, mamy ny tantely fa misy faikany, fy ny amalona fa misy taolany, fa raha ny SAOTRA atolotray anareo dia mamy tsy misy anesorana, feno tanteraka. Koa tehaka mipoapoaka no atolotray anareo, tompoko. Dia onera be ny lany rehetra, hanjary ho arivo heny anie ao am-batanareo! Sitraka enti-matory ka hovalina raha mahatsiahy.

Avy aminay mpikambana : Lalah, Andrymann, Andamioly, Antsiva, Ramy Laza, Abel Andriarimalala, M.R.G, Ny Kanto, Arilaza Randriamahefasoa, Bana Rahalahy, Andry Salomon, Irene Randrianarisoa Rasendra,Tsimaito, Nono Arivony J., F-X. Mahah, Fredy Jaofera, Rani, Onitra, Ony Alijaona, Toetra Raja, Bary Randresy Barimanana Randresiarisoa, DadaRabe, Ndremahery Razafindratsima, Dila, Sandy Lala, ary Hanitr'Ony SALOMON Filohan'ny Havatsa Upem Sampana Frantsa


Lohahevitra :
Tag Cloud
Pas encore de mots-clés.
bottom of page