top of page

Matoan-dahatsoratra

TENY FANOLORANA

Miarahaba antsika rehetra mitsidika ity tranokala vaovaon’ny HAVATSA-UPEM sampana Frantsa ity. Folo taona izao no nananganana ny fikambanana teto Frantsa. Na teo aza ny olana samihafa dia azo lazaina fa nody vokany ny hasasaran’ny tsirairay : ny fiantsana tononkalo, ny fandaharana tamin’ny onjam-peo namelabelarana ny tantaran’ny haisoratra malagasy, ny tranonkala nanomezana ny vaovao samihafa, ary indrindra ny fanotana boky…

Voasoratra tamin’ny fanjakana ny fikambanana ny 24 desambra 2004 ary nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana ny 22 janoary 2005 ny filazana izany. Mba hahamora io fisoratana io dia tao amin’ny filoha tao Bagneux no nofinidy ho foiben’ny fikambanana.

Raha 15 mirahalahy no nanangana ny UPEM tamin’ny taona 1952 dia nisy vehivavy 4 tamin’ireo folo nanangana ny sampana teto Frantsa.

Ny fihaonana natao tao Fontenay-Sous-Bois ny 12 febroary 2005 no nanapahana ny fotoana hanaovana ny lanonana ho enti-mampahafantatra ny fisian’ny fikambanana.

Ny 30 aprily 2005 no nanaovana io lanonana io izay natao teo ambany fiahian-dRamatoa Yvette Ranjeva Rabetafika, Masoivoho-mpirenena Malagasy teo anivon’ny UNESCO. Nanomboka tamin’ny fiaraha-misotro ranom-boakazo tao amin’ny Masoivom-pirenena ary nitohy tamin’ny takariva tao amin’ny tranon-danonana tao amin’ny FIAP. Sesehena ny olona tonga nanatrika io alina io ary io alina io ihany dia efa nisy ireo mpanoratra naneho ny faniriany hilatsaka ho mpikambana. Nandray fitenenana tamin’io fotoana io Ramatoa Yvette Ranjeva Rabetafika ary Andriamatoa Henri Rahaingoson Filohan’ny fikambanana UPEM-HAVATSA.

Niezahana nandritra izay folo taona izay koa ny fampahafantarana ny haisoratra malagasy amin’ny Frantsay tamin’ny fandraisana anjara tamin’ireo hetsika samihafa ka nanomezana ny dikan’ny tononkalo malagasy ho fantany, fa tsy hionona amin’ireo poety malagasy telo Jacques Rabemananjara, Jean-Joseph Rabearivelo ary Flavien Ranaivo izay hita tao amin’ny bokin’i Léopold Sédar Senghor nivoaka tamin’ny taona 1948.

Noho ny antony tekinika dia voatery naato ny tranonkala. Kanefa ankehitriny dia ho tohizana ny fampahafantarana ny fomba amam-panao ary haisoratra malagasy. Tsy ny asa soratrin’ny mpikambana ihany no ho hita ato amin’ity tranonkala vaovao ity fa izay rehetra mety hanampy amin’ny fahalalana ny tantaran’ny firenentsika ankoatry ny politika. Misokatra ho an’ny Malagasy rehetra ity sehatra ity. Ho valiana ny fanontaniana rehetra mipetraka amin’ny tsirairay te hanitatra ny fahalalany ny fomba amam-panao malagasy, ny asa soratra sy ny mpanoratra malagasy mendrika ho fantatra na ireo teo aloha na ny ankehitriny.

Alohan’ny hamaranako ity fanolorana tsotsotra ity dia am-pifaliana no itondrako ity vaovao farany ity. Tamin’ny fivoriam-be nataon’ny fikambanana tao Parisy ny 3 mey 2014 dia voafidy ho filohan’ny sampana eto Frantsa Ramatoa SALOMON Andriamasinony Josiane. Ny solon’anarana Hanitr’Ony no ahafantaran’ny maro azy. Na mbola tanora dia tanora aza izy dia efa maro ireo sangan’asany nanehoany ny fitiavany ny tenin-drazany ka entiny manapariaka ny kanto malagasy. Tsy poety ihany anefa i Hanitr’Ony fa mpikabary koa. Mendri-piderana izay rehetra efa nataony ho an’ny fikambanana nandritra ny fotoana naha tonia azy hatramin’ny niorenan’ny fikambanana tamin’ny taona 2004. Koa tsy diso ny mpikambana nifidy azy ho filoha.

Hoy ny Razantsika hoe “Tao trano tsy efan’ny irery” koa mirary ny fiaraha-miasa eto amin’ity sehatra ity.

François-Xavier Razafimahatratra

(F-X MAHAH)

Lohahevitra :
Tag Cloud
Pas encore de mots-clés.
bottom of page