MI-RIJA, mpikambana nodimandry ny 7 novambra tao Parisy
Vao tsy ela izay no nidonam-pahoriana ny Fikambanana Havatsa-Upem Sampana Frantsa, fa namoy ny sakaizany, mpikambana nahafatra-po MI-RIJA na Rakotomalala Rija, ny 7 novambra 2014.
Mahatsiaro azy manokana isika ary miara-miondrika aminn'y fianakaviana navelany. Ny anarany kosa dia tsy ho faty fa hovelomin'ny Kanto natolony, mandrakizay. Anjarantsika no miaina sy mamelona izany haharitra.
MI-RIJA dia mpanoratra, poeta, mpilalao an-tsehatra, mpihira, mpandihy, mpanao horonantsary, mpahandro, mpampihomehy koa, tena maro talenta ny lehilahy.
Inty ny tononkalony naseho nandritra ny Iray Volan'ny Teny Malagasy teo amin'ny Facebook.
SATRIKO
(Ho setrin’ny « HAFATRA » ao amin’ny Dinitra – RADO)
Satriko ny tsy hiverina anilanao intsony Ka hahita indray ireo takolakao mitsiky Satriko sy mamiko raha ilay fo mitia Nandao ilay taniko, ka lasa mba hania Hitady fiafarana Sy làlana ombana Mba tsy hijery intsony, ity endrikao sariaka Ny masonao malefaka toa volana baliaka Mibanjina ny azy
Ny ahy he, tomany, Miondrika amin’ny tany Toa manjoretra irery Maniry mba hiery Hifidy ilay masoandro, natao mba ho anao, Fa ny anjarako, he indrisy, nilefa sy nandao Tsy hay tohaina intsony. Teliko ihany koa ny tsy himpody intsony Ka hitondra ito tena milanja ireo lonjony Tsy azoko analana Tsy efako raràna Ny haizina mavàny Mandidy ny ati-foko (Dinitra…. RADO) Ny dinitro no injany Mamafa ireo toloko raha manina anao an-tany lavitra any Manoroka ny masony raha sendra ka tomany An-dalam-pahasambarana
Fa satriko eny satriko raha… TSIA !! Mamiko, lalaiko ny lahatra an-tontolo Tsy nanome ny saina hahay hiova volo Raha tena hoe « Fo tia » K’izany no antenaiko Ary koa antsaiko Ny hitampody soa Hanambatra ireo fo Zakain’ny anjara Ho iray am-para Ka satriko ny heriko, ny vatako rehetra No hiezaka himaona, hatrany am-param-petra Handraraka ilay ilo, sy ireo rehetra ireo H/itondra ilay fanilo, hahatretrika anareo.
Mi-Rija – Fianarantsoa 18-05-96