Birao Sampana Frantsa
TENY AVY AMIN'NY FILOHA
Fifaliana lehibe ho anay ny mandray anao mpamaky eto amin'ny Tranonkalan'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa.
Isaorana ary ankaherezina ny fahaliananao amin'ny teny malagasy, amin'ny haisoratra sy kolontsaina nentin-drazana, amin'ny maha Malagasy izay mendrika hotahirizina sy homena lanjany mihitsy.
Mila iainana izany rehetra izany, ka santionany amin'ireo zava-bitan'ny fikambanana, na fikasana, na fifampizarana eo amintsika roa tonta no ho hitanareo eto. Efa nisy Birao telo nifanesy nialoha ny Birao am-perinasa toa anatin'izay folo taona izay.
Mbola santatra ambavarano ihany izay hitanao izao, ary ialana tsiny ny tsy fahalavorariana izay mety hisisika eny fa eo am-panefena ny tranonkala rahateo izahay, saingy marihinay amin'izao fahafolo taonan'ny Fikambanana izao ny fisokafan'ny Tranonkala indray.
Ny mpikambana rehetra dia mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanajariana ny fikambanana. Ny Birao dia mandrindra izay atolotra sy izay nomena.
Indreto avy ny mpikambana ao amin'ny Birao :
Filoha : Hanitr'Ony
Filoha lefitra : Lalah
Tonia : Andrymann
Mpitambola : Antsiva
Mpitantsoratra : Andamioly
Misaotra tompoko,
Hanitr'Ony
Filohan'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa